Language Index

Ny Baiboly





fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin' Andriamanitra, Romana 3:23

Fa fahafatesana no tambin' ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin' Andriamanitra ao amin' i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 6:23

Fa fahasoavana no namonjena anareo amin' ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin' Andriamanitra; tsy avy amin' ny asa, fandrao hisy hirehareha. Efesiana 2:8-9

Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrā fo amiko mpanota. Lioka 18:13

Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin' izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. Jaona 3:16-17

Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan' ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lālana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany. Korintiana Voalohany 10:13

Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin' izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin' ny fitiavan' Andriamanitra izay ao amin' i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 8:38-39

Fa Kristy no faran' ny lalāna ho fahamarinana ho an' izay rehetra mino. Romana 10:4

Fa hoy Izy: "Tamin' ny tanoa fankasitrahana no nihainoako anao, Ary tamin' ny andro famonjena no namonjeko anao" (Isa. 49. 8); indro ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena; Korintiana Faharoa 6:2

Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin' i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay? Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin' ny anaran' i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; Asan' ny Apostoly 2:37-38

ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an' Andriamanitra amin' ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana. Efesiana 4:24


Romana

fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin' Andriamanitra, Romana 3:23

araka ny voasoratra hoe: "Tsy misy marina na dia iray akory aza;" Romana 3:10

Fa fahafatesana no tambin' ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin' Andriamanitra ao amin' i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 6:23

Kea izany dia tahaka ny nidiran' ny ota avy tamin' ny olona iray ho amin' izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran' ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; Romana 5:12

Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin' ny fotoan' andro hamonjy ny ratsy fanahy. Romana 5:6

Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Romana 5:8

ary naseho tamin-kery ho Zanak' Andriamanitra araka ny fanahin' ny fahamasinana tamin' ny fitsanganana tamin' ny maty,--dia Jesosy Kristy Tompontsika, Romana 1:4

ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin' ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahfatesana. Romana 6:9

satria raha manaiky an' i Jesosy ho Tompo amin' ny vavanao hianao ary mino amin' ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin' ny maty, dia hovonjena hianao. Romana 10:9

Fa "izay rehetra miantso ny anaran' ny Tompo no hovonjena" (Joe. 3. 5). Romana 10:13

Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin' izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin' ny fitiavan' Andriamanitra izay ao amin' i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 8:38-39


Rainay Izay any an-danitra

Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety` an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelā ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Ary aza mitondra anay ho amin' ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin' ny ratsy. Matio 6:9-13


Salamo 23

Jehovah no Mpiandry ahy, Tsy hanan-java-mahory aho, Mampandry ahy amin' ny ahi-maitso Izy; Mitondra ahy eo amoron' ny rano fialantsasatra Izy. Mamelombelona ny fanahiko Izy; Mitarika ahy amin' ny lālan' ny fahama-rinana noho ny anarany Izy. Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, Dia tsy hatahotra ny loza aho; Fa Hianao no amiko; Ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy. Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason' ny fahavaloko Hianao; Manosotra diloilo ny lohako Hianao; Ny kapoakako feno dia feno. Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo no hanaraka ahy amin' ny andro rehetra hiainako, Dia hitoetra ao an-tranon' i Jehovah andro lava aho.

Ny nahaterahan' i Jesosy tao Betlehema

Ary tamin' izany andro izany dia nisy didy navoak' i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran' ny vahoaka rehetra amin' ny fanajakany. (Izany no fanoratana voalohany natao fony Kyrenio nanapaka tany Syria. Dia samy nankany amin' ny tanānany avy izy rehetra mba hosoratana. Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilea, dia avy tao an-tanāna Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tanānan' i Davida, izay atao hoe Betlehema (satria avy tamin' ny taranak' i Davida sy ny mpianakaviny), mba hosoratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka. Ary raha nitoetra teo izy, dia tonga ny andro hahavelomany. Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lambanjaza ka nampandriny teo amin' ny fihinanambilona; fa tsy nsy nitoerany tao an-tranombahiny. Ary nisy mpiandry ondry tamin' izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin' ny alina. Ary nisy anjelin' ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy. Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an' ny olona rehetra; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanānan' i Davida, dia Kristy Tompo. Ary izao no ho famantarana ho anareo: hianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona. Ary nisy anjely maro be avy any andanitra niseho tampoka niaraka tamin' ilay anjely teo ka nidera an' Andriamanitra nanao hoe: Voninahitra any amin' ny avo indrindra ho an' Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety` ambonin' ny tany amin' ny olona ankasitrahany. Ary tamin' izany rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an-danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin' ny Tompo antsika. Dia nandeha faingana izy ka nahita an' i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo ampihinanam-bilona. Ary nony efa nahita izy, dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin' izany Zaza izany. Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin' izay zavatra nolazain' ny mpiandry ondry taminy. Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony. Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza sy nidera an' Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy. Lioka 2:1-20

Copyright Š La Société Biblique Malgache, 1965

Genesisy 1-3 y` = ygrave.


Language index